<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>7</hymn_number>
<title>Tao amin'ny lalina no niantsoako Anao TS7</title>
<lyrics>[V1]
 Tao amin'ny lalina
 No niantsoako Anao, Jehovah ô

[V2]
 Tompo ô, henoy ny feoko;
 Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon'ny fifonako.

[V3]
 Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô,
 Iza no hahajanona, Tompo ô?

[V4]
 Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka,
 Mba hatahorana Anao.

[V5]
 Niandry an'i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko,
 Ary ny teniny no nanantenako.

[V6]
 Ny fanahiko miandry ny Tompo mihoatra noho ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina,
 Dia ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina.

[V7]
 Manantenà an'i Jehovah, ry Isiraely;
 Fa eo amin'i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana be;

[V8]
 Ary Izy no hanavotra ny Isiraely
 Ho afaka amin'ny helony rehetra.

[V9]
 Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
 Ary ny Fanahy Masina;
 Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
 Andriamanitra mandraki-zay. Amen.</lyrics>
</song>